jeudi 8 janvier 2009

MIARAHABA ANAO





ANDRIANIKO






N’aiza n’aiza no misy ahy,

O ry Tompo izay mitahy,

fa na eto an-tanin’olona

miatrika ady sy mitolona,

dia andrianiko ny teniko

sy tsy foiko toy ny reniko !





Na rahoviana na rahoviana

no be mpitata ho tsy tiana

na mahamenatra mihitsy,

hoy aho tsy mba mitsitsy,

dia andrianiko ny teniko

fa harena no tsy neniko.





Ka na ahoana na ahoana

izay ratsy ambara foana ;

amoronan-doza hatrany

fa tsy hahatafita sesilany,

dia andrianiko ny teniko

fa anjara soa tsy afeniko !






Fredy JAOFERA